Chine : Anisan’ny « panneau solaire » midadasika indrindra ny ao Xiangshan
« Centrale photovoltaïque » 2,22 MWp no napetraka teny amin’ny tafon’ny Lehui ao amin’ny faritanin’i Xiangshan. Tafon’atrikasa roa ary tranon’ny biraon’ny faritry ny orinasa no nametrahana io tetikasa io.Fametrahana « module distribué » sy « connexion au réseau centralisé » ity tetikasa ity. Tafiditra ao anatin’ny faritra voakasik’izany ny misy sivily izay hiasan’ny « unités » mpamokatra herinaratra roa manana tanjaka 1 MW sy 1,25 MW. Milahatra eny amin’ny tafo ny « module » ary nisy « modules polycristallins » 270 ihany koa no napetraka teny amin’ny tafo telo ho amin’ity tetikasa ity mba hahazona ilay 2,22 MW.
