Maurice : Tafapetraka ny sehatra mihaino sy manohana maimaimpoana ny manodidina ireo mpikambana ao amin’ny LGBTQIA+
Ho fanohizana ny fanohanana ara-tsaina ny mpikambana ao amin’ny LGBTQIA+ dia nametraka sehatra iray vaovao ahafahana mihaino sy manohana maimaimpoana natokana ho an’ny manodidina io vondrona io, toy ny ray aman-dreny, mpiray tampo, olona akaiky sns ny Collectif Arc-en-Ciel (CAEC).
Ny psychologue Amanda Sadien no miandraikitra ny fiantsorohana izany raha ny fanazavana. Mandray olona isakin’ny sabotsy manomboka amin’ny 1 ora sy sasany ka hatramin’ny 4 ora sy sasany hariva ao amin’ny biraon’ny CAEC ao Quatre-Bornes ny tenany.
Voalohany ao amin’ny nosy io hetsika io. Raha ny fanazavana dia napetraka izany mba hanamora ny fidirana amin’ireo manodidina io vondrona io eny amin’ny toeram-panohanana ara-tsaina matihanina voaofana. Tsy mora ihany ny sedran’ireo manodidina ny vondrona LGBTQIA+ ka ilain’izy ireo ny mamoaka ny fihetseham-pony manoloana ny fahadisoam-panantenana na tahotra na « culpabilité » tsapany hoy ny talen’ny CAEC, Jean-Daniel Wong.
