Brésil : Vehivavy iray maty voatorotoro tao anaty milina fitetehana ovy
Vehivavy 24 taona i Rafaela Alves dos Santos, maty tamin’ny fomba nahatsiravina izy ny herinandro lasa teo. Tonga niasa toy ny nahazatra tao amin’ny toerana famokarana chips tao Perdizes izy saingy nikavivia ka nianjera teo amin’ilay tapis roulant nitatitra ny ovy nakao amin’ilay milina fitetehana azy.
Niato io milina io talohan’ny nianjeran’i Rafaela Alves dos Santos saingy tampotampoka teo dia nihodina izany ka maty voatorotoro tao amin’ilay milina io vehivavy io. Maro ireo mpiara-miasa an’i Rafaela Alves dos Santos nanatri-maso ny tranga saingy tsy fantatra mazava raha niezaka nanavotra azy izy ireo.
Tamin’ny alalan’ny haino aman-jery no nahalalan’ny fianakavian’i Rafaela Alves dos Santos ny fahafatesany. Nifindra tao amin’ny faritr’i Perdizes niaraka tamin’ny zokiny vavy izy mba nikatsahana fiainana tsara kokoa raha ny tatitra. Efa misokatra kosa ny fanadihadiana anatiny momba io raharaha io.
