Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Isaky ny telo no fanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ny Banque Mondiale
Havaozina isaky ny telo taona ny fiaraha-miasa amin’ny banque Mondiale ka vola mitentina 900 tapitrisa dolara no azon’ny Madagasikara amin’izany isaky ny telo taona. Hasiam-panovana kosa izany aorian’ny fanaovana tombana ny tanjaky ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Evaluation des Politiques et Institutions en Afrique (CPIA). Fitaovana iray natao hanombanana ny fomba fiasa amin’ny firenena iray aty Afrika ity CPIA ity.
« Nanomboka ny taona 2017 dia nanodidina ny teo amin’ny isa 3.3 amin’ny 6 teo foana ny isa ho an’ny Madagsikara. Anisan’ny antony iray tsy mampiova io lelavola fanampiana sy fanomezana io izany fa miodidina eo amin’ny 900millions dolara eo foana », hoy ny tompon’andraikitra raha nanazava ny antony tsy mampiakatra izany isa izany.
« Ny rafi-piaraha-miasa oa anatin’ny 5 taona amin’ny banky iraisam-pirenena dia efa andalam-pamitana. Ny tena hibahan-toerana amin’izany dia ny mahakasika ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanampiana dieny mialoha ireo toerana mety handalovan’ny rivo-doza ka mety hizaka takaitra mafy noho izany mba tsy ho ela be ny fanarenana ny fiainan’ny mponina », hoy i Marie-Chantal Uwanyiligira, solontenan’ny Banque Mondiale aty Madagasikara.
Ezaka avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny olom-pirenena tsy ankanavaka no hahafahana mampiakatra io naoty omen’ny banky iraisam-pirenena io. Manana adidy amin’izany avokoa ny olona rehetra. Tsy misy tokony hanao tsinontsinona ny sehatra misy azy noho izany ny rehetra.
Miora Raharisolo
