ActualitésTatitra

Etats-Unis : Handroaka mpiasa ihany koa ny Hewlett-Packard

Taorian’ny Meta sy ny Twitter dia nanao fanambarana ihany koa ny orinasa mpamokatra solosaina ao Etats-Unis, Hewlett-Packard fa handroaka mpiasa eo anelanelan’ny 4 000 sy 6 000 isa amin’ireo orinasany eran’izao tontolo izao. Hatramin’ny taona 2025 io fanenana an’isa ny mpiasa io no hotanterahin’izy ireo.

Raha tsiahivina dia manana mpiasa 61 000 ny orinasa HP eran’izao tontolo izao. Entina hanatsarana ny tolotra hoan’ny mpanjifa sy hamoronana sanda maharitra (valeur sur le long terme) io paikady io hoy ny mpitondra tenin’ny orinasa. Hahena hoy izy ny vola mivoaka ary ho hampiasaina amin’ny sehatra manan-danja ho an’ny hoavy kokoa. Manoloana izany dia manantena ny hanangom-bola 1,4 miliara dollars isan-taona ny orinasa hatramin’io taona 2025 io.

Laisser un commentaire