SocialTatitra

France : Zatovolahy 14 taona maty nisy nitifitra, roa hafa naratra

Zazalahy 14 taona maty voatifitry ny bala ary roa hafa naratra izay 14 taona sy 8 taona ny alarobia 18 aogositra lasa teo tany amin’ny cite de Marseille. Nisy kodiaran-droa iray ary olona roa no teny amboniny izay mitam-piadiana karazana kalachnikov teny an-dalana. Maty nandritra ny tifitra ny tovolahy iray ary roa hafa naratra. Nitsoaka avy eo ilay olona roa nitondra moto. Ny polisy “judicière” no nandray an-tanana ny fanadihadihana ny raharaha. Natetika tato ho ato ny famonoan’olona tao amin’io toerana io izay tena toerana hiodinann’y zava-mahadomelina. Raha natambatra dia manodidina ny olona 11 teo no maty hatramin’ny nanombohan’ity taona ity raha ny isa navoakan’ny prefektiora.

Laisser un commentaire