Maurice : Zaza 14 volana latsaka tao anaty seau misy rano, maty iray andro taty aoriana
Ny talata 17 aogositra lasa teo no nisy nampandre ny polisy tany Bel-Air, Maurice mikasika ny fahafatesana zazakely iray vao 14 volana monja. Latsaka tao anaty seau feno rano ilay zaza ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly Dr Bruno Cheong tany Flacq.
Tsy tana intsony anefa ny ainy ary maty ny alin’ny 18 aogositra izy. Nampanantsoina haingana teny amin’ny biraon’ny Polisy ny talata teo ihany ny ray aman-dreniny izay vao 17 taona monja ny reniny ary 18 taona ny rainy. Nanazava ireto farany fa variana tao an-dakozia nikarakara sakafo ilay reniny no niseho ny loza raha mbola niasa kosa ny rainy.
