ActualitésTsidika

Inona no mahatonga ny olona hiaraka amin’ny mitovy fananahana aminy ?

Mbola fady eto amintsika ny fiarahan’ny mitovy fananahana ary tsy mbola neken’ny fanjakana sy ny fiarahamonina izany kanefa misy dia misy tokoa. Efa amin’izy ireny no hoe safidy mihitsy ary misy kosa ny natoraly hoy ireo manam-pahaizana.

« Efa tsy misy hamenarana intsony, mandika ny lalàn’ny zava-boahary mihitsy ny olona manaiky ny hiaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy » hoy i Hanta, renim-pianakaviana naneho ny heviny. « Devoly io na fanahy ratsy na tena aretin-tsaina mihitsy ka mila fitsaboina sy vavaka vao tena afaka tanteraka » hoy ny tanora iray. « Izay safidiny ihany io, tsy ny olona mihitsy no hibaiko ny fiainan’ny olona iray raha izay no tiany sy mety aminy, aoka tsy hitsaratsara fa samia manaraka ny safidiny » hoy i Fetra, isan’ny LGBT.

Maro ny tanora LGBT eto amintsika izany hoe miaraka amin’ny mitovy fananahana aminy na antsoina ihany koa hoe « homosexual » fa saingy miafina noho ny tahotra amin’ny fanilikiliana sy ny fandrabirabiana ataon’ny fiarahamonina azy, miezaka manova tena kanefa tsy azo ialàna ilay izy fa toa efa natoraly no safidy ihany koa. Tsy ho mora tokoa ny hanaiky izany saingy mety hitarika amin’ny famonoana tena raha toa ka sakanana be ny tanora iray.

Aza terena hiova ny hafa fa fantaro aloha ny antony mahatonga izany vao mitsaratsara azy, mety tsy azony ialàna ilay izy ka tsy fidiny fa efa natoraly mihitsy. Aza esorina hiala amin’ny fiarahamonina izy ireo fa olombelona mitovy zo amintsika ihany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire