ActualitésTsidika

Interruption thérapeutique de grossesse : Ny tokony ho fantatra mikasika izany

Tao aorian’ny fanambarana nivoaka momban’ny lalàna vaovao manaiky ny fampiarana ny ITG na ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » dia niseho ny ady hevitra momba ny fanekena sy fandavana io lalàna vaovao io. Raha ny fanazavana voaray dia fanekena ny fanalan-jaza ataon’ny renin-jaza iray nahazo alalana mazava tsara avy amin’ny dokotera no tanjon’ity lalàna ity. Anisan’izany fahazoan-dalana izany ny fahafantarana ohatra fa tsy tomombana tsara ilay zaza an-kibo, na koa tsy afaka hateraka ilay noho ny antony mifandraika amin’ny mety hahafoizana ny ain’ny reniny na ny antony maro samy hafa eken’ny mpitsabo.

Araka ny lalàna naroson’i Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc, solombavambahoaka eo amin’ny distrikan’ny Tsihombe tao amin’ny taratasy fanambarana navoakany dia voambara fa voafaritra anaty fehezan-dalàna faha 317 ao anaty ny didim-panjakana famaizana 317bis sy 317ter fa ekena ny Fampiatona na fampitsaharana ny fitondrana vohoka na koa ny « Interruption thérapeutique de la grossesse » raha mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny mpitsabo ilay mpitondra vohoka, ary ihany koa mahazo taratasy fanamarihina fa rahonan’ny fisian’ilay zaza ao an-kibo ny ain-dreniny na koa voamarina fa sembana ilay zaza ao an-kibon’ilay renin-jaza. Ankoatra ireo antony vonjy taitra ireo anefa dia ekena ihany koa ny fampiarana ny ITG raha toa ka mahazo taratasy voasonian’ny mpitsabo roa ny mitondra vohoka iray maneho fa marary mafy tsy afaka hitazona ilay vohoka ilay renin-jaza. Ary fahatelo farany, anefa tsy latsa-danja amin’izany, dia nambarany tanatin’izany didim-panjakana izany ihany koa fa ekena ny fanalan-jazan’ny reny tsy ampy taona raha toa ka misy ny taratasy voasonian’ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy maneho ny faneken’izy ireo ny hanalana ilay zaza alohan’ny faha sivy volany.

Tao aorian’io fanambarana io dia nisy ny savorovoro teo amin’ny atenimieram-pirenena maneho ny tsy fankasitrahan’ny andaniny izany didim-panjakana vaovao izany. Teo anatrehan’izany indrindra no nanehoan’ny solombavambahoaka Anyah ny heviny momba ny tsy fanekeny io lalana manaiky ny « Interruption Thérapeutique de grossesse » na ny ITG ity. Nanambara ny solombavambahoaka Anyah arak’izany fa maro be ny fetra ary maro be ihany koa ny mety ho fivilian-dresaka hiteraka fanararaotana amin’io resaka « Interruption Thérapeutique de Grossesse » io, eny fa na fanahiniana izany na ihany nahazoan-dalana hoy izy. Teo anatrehan’izany ihany koa no nanambarany fa ity fanehoan-kevitra momban’ny fanekena ny « Interruption Thérapeutique de la Grossesse » ity dia manokatra ny varavarana malalaka ho an’ny fanalan-jaza fahatany. Nanambara tamin’izany ihany koa izy tamin’ny valan-dresaka izay nifanaovan’ny mpanao gazety taminy fa raha ny heviny sy ny amin’ny maha malagasy azy izay voataiza tamin’ny teny hoe « ny fanahy ny maha olona » dia sahy milaza fa ny zaza eny fa na ny andro voalohany tao aorian’ny nanamboarana azy fotsiny aza dia efa manana fanahy sahady. Koa noho izany hoy hatrany ity solom-bava-bahoaka ity dia efa manan-jo sahady io zaza vao am-bohoka io noho ny faneken’i Madagasikara sahady ny lalàna momban’ny zon’i ankizy izay manambara fa noho ny faharefon’ ny vatany sy ny saina, ny zaza iray dia mila fiarona sy fitandrovana fototra fa indrindra indrindra ara-dalàna mifanaraka amin’izany aloha toy ny aorian’ny fahaterahany. Arak’izany, raha ny nambarany, dia mety azo lazaina hoe manan-jo amin’ny vatany ny vehivavy iray ary ananany fahefana ny zavatra rehetra tiany sy kasaina ho tanterahina aùin’izany vatany izany saingy ilay zaza ao an-kibony kosa hoy izy ve dia mbola eo ambany fahefan’ny tenany ihany koa fa tsy mba afaka mahazo ny miaina sy hateraka soa aman-tsara amin’ny maha izy azy akory ? Eo anatrehan’izany ary hoy izy sy manoloana io valan-dresaka io dia mitàna ny heviny hatrany izy ka manao « tsia » hatrany amin’ny fanesoran-jaza na ny fampiatoana ny fahaterahan’ny zaza na inona na inona mety ho endrik’izany ka tsy manaiky hatrany ny fampiarana ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » hoy hatrany ity farany.

Raha naneho ny heviny kosa anefa ireo eo anivon’ny hetsika misahana ny Nifin’Akanga dia nanambara fa manaiky ny fampiarana ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » izy ireo raha toa ka misy taratay avy any amin’ny dokotera marina manamarina izany fahazoan-dalana izany. manoloana izany anefa dia misy ny fanazavana mazava tsara napetraky ny lalàna 317 Bis fa ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » dia nomena alalana entina hiarovana sy hitandrovana ny ain’ny renin-jaza izay fantatra fa mety ahiana noho ny fitondrana ilay vohoka na ihany voamarina fa misy fahasembanana ilay zaza izay ao an-kibo. Eo anatrahan’izany, ireo izay mety ho endriny rehetra izany ihany koa anefa dia efa voafaritra anatin’io lalàna io avokoa ireo izay mety ho fahsarotan’ny ITG rehetra ary koa efa mitoetra anaty didin-dalàna famaizana. Raha ny mikasika ny fehezan-dalàna 317 Ter kosa dia manambara fa azo ekena ny fampiatoana ny vohoka ho an’ny tovovavy izay niaran’ny fanolanana raha toa ka voasonian’ny dokotera roa samy hafa ny taratasy fahazoan-dalana hanaovana izany.

Raha ny mikasika ny hevitr’ireo mpino Katolika sy protestanta FJKM kosa dia tsy eken’izy ireo izay mety ho endriky ny fanesoran-jaza trehetra na amin’ny antony inona na amin’ny antony inona satria ny Andriamanitra no tompon’ny aina hoy izy ireo ka tsy tokony ananan’olombelona fahefana izany. Arak’izany dia manao antso avo amin’ireo solombavambahoaka eo amin’ny antenimiera izy ireo mba ho samy ho tonga saina alohan’ny hanapahana hevitra manoloana ny fampiarana ny fehezan-dalàna mikasika ny fanomezan-dalàna ny  » Interruption Thérapeutique de Grossesse » eto Madagasikara ity. Hatreto mantsy dia mbola solombavambahoaka iray ihany no sahy naneho ny heviny ny amin’ny fitsipahana izao fehezan-dalàna vaovao izao dia i Aina Rafenomananantsoa, na ilay fantatra amin’ny anarana hoe Anyah irery ihany, izay nilaza fa mifanohitra tanteraka amin’ny foto-piasainan’ny Malagasy tokoa izao fehezan-dalàna vaovao haroso izao. Ny ambony kosa dia mbola mikobona anaty ny heviny tsirairay avy fa mbola tsy nisy naneho izany ampahibemaso hatreo.

Maro amin’ireo mpitsabo ihany koa no naneho ny heviny momba ny fanohanana ny fampiarana ity « Interruption Thérapeutique de Grossesse » ity entina hitandrovana ny ain’ny reny izay mitondra azy izay efa ahitana soritra ny fisihan’ny fahasarotan’ny fiterahany ary koa mba tsy hisian’ny fahasembanan’ny zaza izay tsy mifanaraka amin’ny fiainana tokony ananany. Teo anatrehan’izany ihany koa no nanamafisan’izy ireo fa ny raha toa ka efa misy ny soritra ahafantarana fa ho sarotra ny fampiterahana ilay renin-jaza na ihany koa tsy mety amin’ny fahasalamany izany dia raha tsy hanaovana « Interruption Thérapeutique » izany dia tsy ny ain’ny reny ihany no atahorana fa na ny ain’ilay zaza ao an-kibo ihany koa ary hoy izy ireo. Manoloana izany hoy izy ireo hatrany dia tsy aleo ve misoroka mamonjy ny ain’ny reny toy izay ho very aina roa be izao.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia mbola mitohy hatrany ny ady hevitra, tsy eo amin’ny antenimieram-pirenena fotsiny ihany, fa na eo amin’ny Malagasy iray manontolo mihitsy ary, ny mikasika ity fehezan-dalàna vaovao manome alalana ny fanatanterahina ny « Interruption Thérapeutique de Grossesse » na ny ITG ity. Hatreto anefa dia mbola miandry ny hevitr’ireo salombavambahoaka sasantsany eo amin’ny antenimieram-pirenena ny Malagasy ny amin’ny fanekena na tsia amin’ny fampiarana izao fehezan-dalàna vaovao izao, izy ireo izay itoeran’ny teny farany amin’izao raharaha izao.

Soarimiah Andrianarison

Laisser un commentaire