ActualitésTsidika

Imerina : Nisara-bazana noho ny toko

Iray Imerina nanomboka tamin’Andrianampoinimerina ny taona 1787 ka hatramin’ny taona 1897 niafaran’ny fanjakan-dRanavalona III. Mpanjaka tokana teo anaty rovan’Antananarivo sy Ambohimanga ihany no nisy tao anatin’Imerina 8 toko fa tsisy mpanjaka isaiky ny toko tsirairay akory.

Nandefasan’Andrianampoinimerina mponina avy aty Imerina izay nahitana Andriana merina sy hova merina ary andevo merina nifindra monina tany amin’ireo toko. »Nanomboka tamin’Andrianampoinimerina dia naira-nonina tao amin’ireo toko tsirairay ny Merina sy ireo mponina zanatany efa tao amin’ny toko talohan’Andrianampoinimerina. Izany hoe mpanjaka tokana no niaingan’izy ireo » hoy i Hervé, mpahay tantara. Marihina fa Avaradrano, Marovatana, Vakinisisaony, Ambodirano, Vonizongo, I Mamolakazo, Vakinankaratra, Vakiniadiana ireo tokoa tamin’Imerina tamin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina ireo.

Ny mpanjana-tany no nampivaky an’Imerina. Samy nanana ny andrianany mantsy ireo toko ireo taty aoriana eny fa na hatramin’izao aza. Misy ny fisaraham-bazana sy ny tsy fitoviana kanefa samy Imerina ihany. Ho avela ho rava ve ireo efa navondron’ny mpanjaka fahiny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire