ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misy ny asa fanamboarana ny fiantsonana vaovao

Misy ny asa fanamboarana toeram-piantsonana vaovao ao Manambina, kaominina Ambohimangakely, amin’izao fotoana izao. Hialana amin’ny  fitohanana sy ny fanatsarana ny fifamoivoizana no antony nametrahana izany, raha ny voalaza.

“Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ho an’ny fampandrosoana, dia ilaina hatrany ny mametraka ny fandaminana mba hisian’ny firindrana sy ny filaminana eto amin’ny tanàna. Efa mihamaro amin’izao fotoana ny mpivezivzey ka zava-dehibe raha hampitomboana ihany koa ny toeram-piantsonana” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Tena ilaina ny toeram-piantsonana vaovao. Miaraka amin’izany kosa anefa dia tokony hametraka tomponandraikitra mpandamina sy mpandrindra eo an-toerana satria maro ny mety ho tsy fanarahan-dalana hiseho ataon’ny mpitatitra ka tokony ho sorohana izany” hoy i Faniry, mponina ao Ambohimangakely.

Mbola maro ireo asa fanamboarana sy fanatsarana ny fifamoivoizana mila atao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Ireo mponina ao an-toerana ihany koa dia miandry ny fanatanterahana izany, araka ny fampanantenana sy ny fangatahana nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire