Ambohimangakely: Nozaraina fitaovana ara-panatanjahan-tena ireo mpianatry ny CEG Soamanandrariny
Nozaraina fitaovana ara-panatanjahan-tena ireo mpianatra ao amin’ny CEG Soamanandrariny tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika “Relais solidaires tour du monde” sy fiaraha-miasa teo amin’ny Lycée Française de Tananarive, agences pour l’enseignement française à l’étranger sy ny sekoly izany, araka ny voalaza.
« Hafaliana sy tsikitsiky no nandraisan’ny mpianatra teto an-toerana ireo tsara sitrapo avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ireto. Tombony ho an’ny sekoly eto Soamanandrariny ny fahazoana ireto fitaovana ireto satria manampy ary mampivoatra eo amin’ny taranja fitaizam-batana (EPS) izany » hoy ireo avy amin’ny sekoly.
« zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny fiaraha-miasa tahaka izao. Hirariana mba hitondra fivoarana eo amin’ny sekoly, indrindra ny mpianatra ny fisitrahana ireo fanomezana ka hanatsarana ny vokatra » hoy i Mino, mponina ao Ambohimangakely.
Zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana sy fanohanana ny sekoly tahaka izao. Anisan’ny manome lanja ny sekoly ary mamporisika ny mpianatra hanao zavatra tsara, hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana izany.
Manitra R.
