Fampianarana ambony : Efa nozaraina ny karatra e-poketra tao Toliara
Mitohy hatrany ireo dingana handoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra manerana ny Oniversite eto Madagasikara. Efa nozaraina nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny karatra e-poketra tao Toliara.
« Karatra miisa 9000 no efa voarakitra nanomboka ny alatsinainy teo tao Toliara. Efa eo am-panatanterahana ny asa tsara ny Paositra Malagasy manerana ny nosy » hoy ny sampan-draharahan-tserasera ao amin’ny Paositra Malagasy. « Efa manomboka ny fizarana ny karatra e-poketra amin’ny Oniversite sasany toy i Toliara, Mahajanga, Toamasina. Efa manomboka mizara ny vatsim-pianarana kosa ny ao Fianarantsoa. Ho avy tsy ho ela ny an’Antananarivo » hoy ny Minsiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.
Ho entina hanamorana ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana ity e-poketra ity. Irariana mba tsy hisy intsony ny olana mikasika ny vatsim-pianarana aorian’izao.
