Ambohimanambola: Mizotra miandalana ny fametrahana ireo toerana fitsinjarana fako
Ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ny toerana fitsinjarana fako, ao amin’ny fokontany Iharamy amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra misahana ny Raoka Fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Mizotra soa aman-tsara ny asa ary vinavinaina ho vita faka 20 andro, raha ny voalaza.
“Mialohan’ny ampiasaina ny toerana dia hisy ny fanentanana, fizarana ireo tokony ho fantatra mikasika ny fako sy ny tontolony, ary ny fananganana ny fikambanana mpintsinjara fako.” Hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Ny asabotsy 21 sy Alahady 22 oktobra izao no hanatanterahana ny fanentanana izay atao eo amin’ny kianja Antoby. Maro dia maro ny hetsika ho hita mandritry ny roa andro ao amin’ny fokontany Iharamy. Anisan’izany ny lalao baolina kitra an’olon-tsivy lahy sy vavy amboara ondry » hoy hatrany ny fanazavana.
Tahaka ny fametrahana ireo toerana fitsinjarana fako teny amin’ny kaominina hafa moa, dia misy ny fanentanana isan-karazany ataon’ny tomponandraikitra, anisan’izany ny lalao baolina kitra. Ho avy hitety isam-bohitra araka izany ny tomponandraikitra hampahafantatra ny fepetra fandraisana anjara.
