Alasora : Ho vita tsy ho ela ny biraon’ny Zandarimaria
Efa an-dalam-pahavitana ankehitriny ny trano ho biraon’ny Brigadin’ny Zandarimaria ao Alasora. Mitohy hatrany ny ezaka ho amin’ny fandriam-pahalemana eto amin’ny Distrika Avaradrano.
« Isan’ny manamafy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny fanamboarana ity trano ity. Antoka lehibe ho an’ny fampandrosoana izany. Ho vita tsy ho ela ny fotodrafitr’asa » hoy ny ben’ny tanana ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tena hita tokoa fa manao izay hampandrosoana ny tanana ny mpitondra. Tsy ho vitanay samirery anefa ny fitandroana ny filaminan’ny tanàna. Mila ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka hatrany izahay » hoy ireo Zandarimaria any Alasora.
Antoka amin’ny fampandrosoana ny fandriam-pahalemana tokoa ny fahavitan’ity birao ho an’ny mpitandro filaminana ity. Isan’ny mampandroso ihany koa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka eny ifotony.
Nicole Rafalimananjara
