ActualitésTsidika

Ankadikely : Tsy voatery hiandry ny fanjakana foana, afaka manao izay vita aloha

Fihetsika maha te hidera tokoa no nasehon’ity lehilahy iray tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Namboariny araka izay vitany ny lalana.

« Nototofany ireo lalana loaka. Tamin’ny heriny manokana no nanaovany izany Ary tsy niandrasany ny hafa velively » hoy i Landry, mpanolo-tsaina ao amin’ny Distrika Avaradrano. « Tsy vahaolana ny mitaraina lava. Tsy tsara ny mametraka ny asa fampandrosoana ho an’ireo mpitondra samirery. Tanana iraisana ity ary iraisana ihany koa ny andraikitra. Atao izay vita aloha » hoy ity lehilahy ity.

Velom-pankasitrahana azy ny mponina any ao Ankadikely Ilafy. Tsara ataon’ny rehetra ho fankahan-tahaka ny fihetsika tahaka izany. Manao izay vita sy tandrify ny tena ho antoky ny fampandrosoana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire