ActualitésTsidika

Zava-kanto : Sehatra mahaliana ny tanora tokoa ny fitendrena zava-maneno

Sady fialam-boly no azo hivelomana tsara ihany koa ny fitendrena zava-maneno toy ny piano. Misy ny fianarana mitendry izany ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

« Sady misy piano sy gitara ato amin’ny BTC. Efa mandray ny anaran’ireo liana amin’izany izahay. Mirary tokoa ny zaram-pianarana » hoy ny tompon’andraikitra.  » Efa nahay nitendry ny ray aman-dreny ary izy ireny no nampianatra ahy. Tsy tiako hijanona eo amin’ny hain’izy ireo ihany no haiko fa tiako hivoatra hatrany. Nisoratra anarana hianatra hitendry piano ato amin’ny BTC aho » hoy i Fanoela, mpitendry zava-maneno.

Hisy hatrany ny mari-pahaizana zaraina ho an’izay nahavita fiofanana hatramin’ny farany. Hita ho manome ireo karazana fianarana mahaliana ny tanora tokoa ity ivon-toerana ity. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire