Ankadikely Ilafy : Tsy mandry fahalemana ny tanàna
Nisehoana tranga fanafihana teny amin’ny faritra Ambohitrarahaba, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Poa-basy in-enina no nanaitra ireo mponina teny an-toerana sy ny manodidina. Araka ny voalaza, tompona tsenambarotra iray, andeha hamonjy fodiana, no lasibatra nandritra izany, ary namoy ny ainy vokatry ny fitifirana.
“Tsy rariny intsony raha ny zava-misy eto an-tanàna. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana, mandry tsy lavo loha ny mponina manoloana ny asan-jiolahy. Tsy hita intsony hoe amin’iza no hitaraina ny olon-tsotra. Efa maro ny fitaraina nalefa fa tsy mbola hita izay fiovana, vao mainka aza mitombo ny asa ratsy ary miha-enjana satria tsy matahotra ny amono ny jiolahy” hoy i Rado, tompona tsenam-barotra.
“Variana amin’ny resaka politika ny fanjakana sy ireo tomponandraikitra, hany ka tsy mahita ny fahorian’ny vahoaka sy ny ngidy entin’ny mponina noho ny tsy fandriam-pahalemana. Matimaty foana ny olona. Ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tsy mandray ny andraikiny araka ny tandrify azy” hoy i Nestor, mponina ao Ambohitrarahaba.
Ankoatra ity fanafihana an-dalambe niseho tao Ambohitrarahaba ity moa, dia nisy toka-trano iray ihany koa no nitrangana fitifirana tamin’ny balle plomb, ny harivan’ny sabotsy, tao amin’ny fokontany Antsahamaina.
