ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nisy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fizarana fanafody

Nisy ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny herinandron’ny 9 novambra lasa teo. Tolotra ara-pahasalamana maro no natao tao an-toerana nandritra izany. Nisy ny fizaham-pahasalamana ho an’ny sokajin-taona rehetra. Nisy ihany koa ny fizarana fanafody maimaim-poana, araka ny voalaza.

“Hisaorana ny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka nanolotra ny hetsika, tamin’ny alalan’ny SDSP, nanolotra ny hetsika ara-pahasalamana teto amin’ny kaominina. Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa izany satria hiaraha-mahita ny fahasahiranana sy ny fahamaroan’ny trangan’aretina amin’izao fotoana” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Zava-dehibe tokoa ny hetsika tahaka izao, nahafahana nijery sy nanao fizahana fahasalamana. Ny fiainana amin’izao efa sarotra ka tsy mahavita mamonjy dokotera intsony ka amin’ny hetsika toa izao no manararaotra mitsabo sy maka torohevitra amin’ny mpitsabo” hoy i Sahondra, mponina ao Sabotsy Namehana.

Anisan’ny manampy betsaka ny mponina ny hetsika tahaka izao. Mbola maro moa ireo mangataka ny tokony hitohizan’izany amin’ny fotoana hafa.

Laisser un commentaire