ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Hisy ny fandraisana mpiasa, mpamily fiara vaventy ao amin’ny kaominina

Misy ny tolotr’asa izay ataolotry ny kaominina Sabotsy Namehana. Amin’izao fotoana izao, misy ny fandraisana mpamily fiara vaventy (camion benn) mpitatitra fako ao an-toerana.

“Lehilahy manomboka amin’ny 35 taona ka hatramin’ny 45 taona no tadiavina amin’izany asa izany. Mahay mamaky teny sy manoratra ihany koa ary manana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia sokajy C-D-E. mponina ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ary manana fahalalana momba ny fitondrana Camion mulyi Benn ihany koa” hoy nytomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ho an’ireo izay mahafeno ireo fepetra ireo dia mila manatitra ao amin’ny biraon’ny kaominina ny antontan-taratasy misy fangatahan’asa, filazalazana ny momba ny tena (CV), fanamarinam-ponenana ary dika mitovy ny karapanondrom-pirenena” hoy hatrany ny fahazavana.

Hatramin’ny o1 desambra 2023, amin’ny 12 ora tolak’andro moa no fe-potoana ahafahana mandray ireo antontan-taratasin’ireo izay liana amin’izany tolotr’asa izany.

Laisser un commentaire