Fankalazana ny 8 martsa: Laharam-pahamehana ny fanabeazana ny vehivavy.
Nifantoka tamin’ny fampisitrahana fanabeazana ho an’ny vehivavy ny lohahevitra ieraisam-pirenena nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana ny zon’ny vehivavy omaly. Nifanaraka tamin’izany indrindra ny fanakalazana izay natao teto Analamanga. Nanambara ny vadin’ny Filoham-pirenena fa manana fahaiza-manao ny vehivavy Malagasy ka izany indrindra no antony hanabeazana azy ireny bebe kokoa. Ny vehivavy dia anisan’ny afaka mandray andraikitra mba ho antoky ny ho avy. Ny fanabeazana no lalana azo antoka indrindra amin’izany hahafahan’izy ireo mikiry sy milofo. Tsara ny manamarika fa tolona no tokony hatao rehefa 8 martsa hampanjakana ny zon’ny vehivavy ho toy ny zon’ireo lehilahy ihany koa.
Miora Raharisolo
