Sofia : Feno 125 taona ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany
Nomarihina tamin’ny fomba miavaka ny faha-125 taonan’ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany tao amin’ny faritra Sofia. Nisy ny atrik’asa nanazavana ny asa iandraiketan’ny sampan-draharaha misahana ny fananan-tany ao amin’ny faritra Sofia.
« Ity atrik’asa ity niampy ny fitsidihana ireo birao hiasan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany no nanamarihana ity fankalazana ity. Tena nanampy betsaka ny fahalalana mikasika ny fananan-tany izany » hoy i Veronique, mponina ao Bealanana. « Mandray raharaha rehetra momba ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, mba ahafahan’ny Malagasy misitraka ny taniny. Izay no atom-pisiany sampan-draharaha misahana ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany » hoy Rabemaro Guy Clebert, Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany aty Sofia.
Tsy tokony hisalasala intsony ny vahoaka hanatona ny birao misahana ny raharaha ho an’ny fananan-tany. Asa ho an’ny vahoaka ireny, ary miasa ho an’ny vahoaka.
Nicole Rafalimananjara
