ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisy ny fitsofan-drano sy fangatahana fampandehanana ny rano tao amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana

Notontsaina tamin’ny zoma 17 novambra teo ny fitsofan-drano sy fangatahana fampandehanana ny rano, fotodrafitr’asa napetraky ny kaominina ao amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana. Tonga niara-nanatanteraka izany ireo olobe sy ny mponina avy ao an-toerana, araka ny voalaza.

“Izao no natao dia satria hita fa tsy feno ireo fepetra nahafahana nampisitraka sy mitsinjara rano ho an’ny mponina ety an-toerana. Manomboka izao, dia ho lasa sy ho foana ireo sakana ary ho ampoka rano ny fokontany Antanetibe sy Ambohimanambola Firaisana raha ny tso-drano nataon’ireo olobe” hoy ny avy amin’ny mpitantana ny kaominina.

“15 andro manomboka androany no fotoana nifanarahana amin’ny orinasa mpitantana voatendry ho fanamboarana sy fandefasana ny fotodraditrasa. Ao anatin’izany dia efa napetraka ihany koa ny komity miandraikitra izany fampandehanana izany ety an-toerana. Izy ireo no hiara-hiasa amin’ny kaominina amin’ny fampandehanana sy fitantanana eto amin’ny fokontany » hoy hatrany ny fanazavana.

« Korano », izay no komity misahana ny rano napetraka ao isam-pokontany mba hiara-hiasa amin’ny kaominina, manana andraikitra solon’ny maso sy sofina eny amin’ny fokontany sy vohitra misy azy ireo tsirairay avy izy ireo. Araka ny voalaza hatrany, hisy ny fanofanana ireo korano rehetra ao anatin’ny fokontany 10, izay ho tanterahina tsy ho ela.

Laisser un commentaire