ActualitésTatitra

Mayotte : Manohana ny faniriana hampiantrano ny JIOI amin’ny taona 2027 ny governemanta

Raha tsiahivina dia nandefa hafatra tany amin’ny governemanta ny filohan’ny « Comité régional olympique et sportif » tao Mayotte, Madi Vita ny volana desambra 2022 teo. Voaraikitra tao amin’izany fa maniry ny hampiantrano ny lalao olympika aty amin’ny ranomasimbe indiaina amin’ny taona 2027 izy ireo.

Roa volana taorian’ny fandefasana ny hafatra dia nankatoa ny fangatahana ny governemanta. Minisitra dimy no nanao sonia ny valin’izany dia ny minisitry ny atitany sy ny Outre-mer ary ny misahana ny Outre-mer manokana, ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny lalao olympika ary ny paralympique, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny tanora ary ny minisitry ny Europe sy ny raharaham-bahiny.

Laisser un commentaire