ActualitésTatitra

Brésil : Miatrika fandravana «savane» goavana ny firenena

Nihamihena hatrany ny « savane » ao Brésil. Niakatra 25% ny fandripahan’ala tao Cerrado tao an-toerana teo anelanelan’ny volana aogositra 2021 sy jolay 2022. Mahatratra hatramin’ny 10 689 km² ny zava-maniry simba, izay antontan’isa ratsy indrindra tao an-toerana tao anatin’ny 7 taona.

Efa manakaiky ny velaran-tany ripaka ao Amazonie io refy ao Cerrado io. Mahatratra hatramin’ny 11.568 km² mantsy izany ao Amazonie arakin’ny rafitra « satellites » PRODES ny INPE (Institut de national de recherches spatiales).

Marihana nefa Cerrado dia isan’ireo « savane » tropikaly nanan-karena ara-zavaboahary indrindra eran-tany.

Laisser un commentaire