ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Kopia 30 isa ho an’ny ankizy sy Tanora no nozaraina nandritra ny hetsika fizarana kopia faobe

Notontosaina ny alakamisy lasa teo ny fizarana kopia  30  isa ho an’ireo abnkizy sy tanora, izay nisoratra anarana tamin’ny hetsika fizarana koipa faobe, andiany farany, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny faritra Analamanga ary ny ministeran’ny fitsarana no nahatontosana izany.

« Fankasitrahana no atolotra ho an’ireo solo-tenam-panjakana isan-tsokajiny sy ny mpiara-miasa amin’izy ireo tonga nanatanteraka ny fizarana tety anivon’ny kaominina. Faly tokoa ireo ray aman-dreny sy ireo tanora nahazo ny kopia satria dia nahazo ny zo fototra eo amin’ny fiainana izy ireo » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tsara ny mampahafatra fa miditra amin’ny andiany manaraka indray ny kaominina amin’izao, izay hanentanana hatrany sy hiangavina ireo izay tsy mbola manana izany kopia izany mba hanatona ny fokontany misy azy » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Zo fototra tokony ho sitrahan’ny olom-pirenena tsirairay ny fananana kopia sy kara-panondrom-pirenena. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fananana izany, ary hanentanana ireo izay tsy manana mba hanao izany satria ilaina amin’ny sehatra rehetra ary hahafantarana ny maha olom-pirenena, hahafahana misitraka ireo zo hafa ny kopia.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire