Mexique : Mitohy ny fikarohana manoloana ilay trangan’aretina hafahafa mahazo ny zatovo
Sekoly maromaro tao amin’ny faritany efatr’i Mexique no nahitana trangan’aretina hafahafa mahazo ireo zatovo nanomboka ny volana septambra teo. Raha ny fanazavana dia mpianatry ny kolejy sy lisea no 227 isa no efa sedran’izany. Toratora kosa no fisehon’ilay aretina.
Manoloana izany dia nanokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Fantatra fa ny 23 septambra 2022 tao amin’ny lisea Tapachula tao amin’ny faritanin’i Chiapas no nisehoan’ny aretina voalohany. Tovovavy 12 taona no tsy nahatsiaro tena rehefa nivoaka ny trano fivoahan’ny sekoly. Minitra vitsy taorian’izany dia tsy nahatsiaro tena ihany koa ny namany iray.
Tao anatin’ny ora iray monja dia mpianatra am-polony no nisehoan’ilay aretina ary nisy mpianatra 22 hafa nando sy narary an-doha. Noheverina fa ny sakafo tao amin’ny sekoly no nitarika ny tranga saingy fantara fa tsy nisy ny fanampoizinana ara-tsakafo rehefa natao ny fizahana. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny aretina saingy efa manao fikarohana ireo manam-pahaizana hoy ny Dr Robert Bartholomew.
