ActualitésTsidika

Lalaon’ny Nosy: Mbola maro ny asa miandry, hohafainganina izany.

Efa 70 andro mahery eo sisa dia ho tong any fotoana hantanterahana ity hetsika lehibe ity. Firenena miisa 5 no handray anjara amin’izany izay I Madagasikara no hampiantrano. Mbola maro ireo asa fanomanana miandry ireo mpikarakara. Hohafainganina araka izany ity asa lehibe ity ka maro ireo fanapahan-kevitra tsy maintsy ho raisina.

“Hahazo fanampiana ara-bola ny komity misahana ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy na ny COJI. Ahafahan’ity komity ity manatanteraka ny andraikitra sahaniny io fanampiana ara-bola io, indrindra ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ilaina mandritra ny fifaninanana ary hividianana ireo fitaovana sy kojakoja ara-teknika tokony ilaina. Ankotra izay hampiasaina ihany koa ny paikady ao anatin’ny hamehana na “procédure d’urgence”hahafahana mamita ireo asa mialohan’ny fotoana”, hoy ny ay ao amin’ny Fitondram-panjakana.

Ankoatra ny lafiny ara-foto-drafitr’asa dia nanome baiko ihany koa ny Filoham-pirenena ny amin’ny fijerevana maika ny toerana handraisana ireo vahiny sy ny Delegasiona Malagasy eto an-toerana. “Toerana manaraka ny fenitra sy mendrika handraisana ireo vahiny sy ny atileta malagasy tsy maintsy efa hatao vonona sahady. Eo ihany koa, himasoana ny fanofanana ireo tomponandraikitra amin’ny arofenitra sy ny serasera ary indrindra ny fiantohana ny fitandroana ny fahalemana mandritra io fotoana io”, hoy hatrany ny fanazavana.

Roa volana sy tapany sis any fe-potoana. Aiza hoaiza amin’izao fotoana izao ny zava-bita. Fiaraha-miasa amin’ny olona tsotra sy maro no mampahomby ity asa lehibe ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire