ActualitésTsidika

Jiolahy mpanafika « cash point » roa lavon’ny polisy, enina voasambotratany Toamasina

Roa no lavon’ny bala ary 6 mianadahy kosa voasambo-belona izay isan’ireo mpanao fanafihana cash point tany toamasina ny 3 aogositra lasa teo. Efa betsaka ireo lasibatra tamin’izany fanafihana cash point izany tany toamasina. Isan’izany ilay raim-pianankaviana namoy ny ainy tao akaikin’ny galana « dépot » nahazoan’izy ireo 4 tapitrisa Ariary sy ilay raimpianankaviana maty teo akaikiny jovenna « depot » tany Toamasina ihany.

« Nahatratrana pistolet automatique ireo jiolahy ireo, ary azo tamin’izay ny Moto 2 RSZ sy jog izay fitondran’izy ireo rehefa manao ny asa ratsiny » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena any Toamasina. Nilaza kosa ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana fa « ankoatra ny fampandrian-tany natao tao vatomandry sy mahanoro dia mitohy eto Toamasina ny fampandriana fahalemana ary manentana ny vahoakan’i toamasina aminy fanomezana loharanombaovao maripototra ny avy eo anivony polisimpirenena ».

Nanampy ny fanazavana ihany koa ny Cdt FIP Toamasina Jules Rafaliarivo fa tsy maintsy foana ny asanjiolahy izay nirongatra tatoato raha mahay miara-miasa ny vahaoka sy ny mpitandro filaminana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire