ActualitésTatitra

France : Miverina amin’ny fihiboana ny ao Guadeloupe manoloana ny fianaky ny valan’aretina

Efa nahatratra ny 3 000 isan-kerinandro ny tranga vaovao mitondra ny valan’aretina Covid-19 ao Guadeloupe. Nanoloana izany dia nandray fepetra ny hiboka farafaha-keliny 3 herinandro izy ireo manomboka androany alarobia. Manaraka ny fanapaha-kevitr’i Martinique izy ireo izay efa nihiboka nanomboka ny zoma alina teo izay haharitra 3 herinandro ihany koa. »Efa loza mitatao ity mahazo ny Guadeloupe ity, hatomboka androany amin’ny 8ora alina ny fihiboana » hoy ny mpiadidy Alexandre Rochette. « Hamafisina ny fepetra, tsy afaka miala lavitry ny 10km manodidina ny tranony ny olona manomboka amin’io fotoana io » hoy ihany koa i Valérie Denux, tale jeneralin’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana isam-paritra.

Laisser un commentaire