La Réunion : Ny tsy fisian’ny vaksiny no handrava ny fiaraha-monina hoy i Philippe Cressein
Nandà ny soso-kevitr’i Philippe Cressein ny fitsarana tany La Réunion ny amin’ny mba tsy hampiharana ny fepetra ara-pahasalamana ho an’ireo olona efa nahavita vaksiny. Marihina fa mpisolovava no asan’i Philippe Cressein. Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo dia nisy ny fitokonana nataon’ny mponina tany an-toerana mikasika ny fanoherana ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny governemanta. Tsy ny fepetra no tokony atao mafy fa ny fanaovam-baksiny no mila hampitomboina hoy hatrany ity mpisolovava teo. Noho izany ny olona vita vaksiny dia tokony tsy voatery hanaraka ny fepetra hoy hatrany izy. Nolavin’ny fitsarana anefa izany heviny izany.
