Brésil : Hanao fanadihadiana mikasika ny filoha Bolsonaro ny mpitsara ny fifidianana
Nanokatra fanadihadiana manoloana ny ala-bato ny fitsarana ambony momba ny fifidianana ny alatsinainy teo. Nifototra tamin’ny filoha Brésilien Jair Bolsonaro izany, izy izay nanakiana ny rafi-pifidianana elektronika napetraka efa hatramin’ny taona 1996 sady niampanga tsy nisy porofo fa nisy ala-bato ny fifidianana.Hanamarina ity fanadiadiana ity raha nampiasa fanapatam-pahefana ara-politika, ekonomika ny tenany. Eo ihany koa ny fampiasana ny haino aman-jery tsy amin’ny tokony ho izy, ny fanaovana kolikoly, ny halatra ary ny fampielezan-kevitra tsy ara-dalàna ary ny fanoherana ny rafi-pifidianana
