SocialTatitra

Maurice : Mieritreritra hampijanona mpanamory fiaramanidina 18 ny Air Mauritius

Nilaza ny Air Mauritius fa tokony hiala ny mpamily fiaramanidina miisa 18 aorian’ny 18 aogositra. Miisa telo mazava ny tena antony hanaovana izany hoy hatrany izy ireo. Voalohany, ny tsy dia fisian’ny fitaovana fitaterana an’habakabaka na ny fiaramanidina ka mpamily vitsivitsy sisa no tena ilaina. Efa niala tamin’ny Air Mauritius mantsy ny Mon-Choisy sy ny Blue-Bay ny faran’ny jona teo rah any voalohan’ny jolay no niala ny Paille en Queue sy ny Parakeet. Antony faharoa ihany koa ny tsy fisian’ny vola andoavana karama satria ireo tsy maintsy omena vola.

Laisser un commentaire