ActualitésTatitra

France : Voaheloka higadra 14 taona ilay tovolahy namono ny renikeliny

Tovolahy iray 16 taona no nitsatok’antsy ny renikeliny in-30 ny 1 septambra 2020. Tao amin’ny trano fonenan’izy ireo tao Millau, Aveyro no niseho io tranga io ary ny mpiray vodirindrina amin’izy ireo no niantso ny manam-pahefana rehefa nahare hikiaka sy feo hafahafa. Rehefa tonga tao an-toerana ireo tompon’nadraikitra dia nihidy avy tao anatiny ny trano ka voatery nanimba ny varavarana izy ireo.

Rehefa tafiditra tao an-toerana kosa izy ireo niaraka ny vadin’ilay niaram-boina dia efa razan’ilay vehivavy no novantanin’izy ireo raha natory teo ampandrinany tao an’efitranony toy ny tsy nisy na inona na inona kosa ilay tovolahy. Nilaza kosa ity farany fa noho ny menomenonana sy latsalatsa lava ataon’io renikeliny io aminy no namonoiny azy.

Niakatra fisatrana teo amin’ny 18 taonany ny herinandro lasa teo kosa ilay nahavanon-doza, ary voaheloka higadra 14 an-tranomaizina sazy mihatra.

Laisser un commentaire