ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Nirotsaka nanamboatra ny lalana ao Antsofonondry ny kaominina sy ny mponina

Niara-nirotsaka nanamboatra ny lalana tao Antsofinondry ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ireo mponina ao an-toerana, izay mampiasa ny lalana, ny faran’ny herinandro teo. Efa hatramin’ny ela ireo mponina mpampiasa izany no nitaraina manoloana ny fahasimban’ity lalana rari-vato ity, ka izao nitondrana fanamboarana izao.

« Ankasitrahana ny tompon’andraikitra ny fandraisana fepetra tahaka izao. Efa ela nanaovana fitarainana ny mponina, efa niaraha-nahita ihany koa ny fahasimbana sy ny vokatr’izany teo amin’ny mpampiasa lalana ka tokony atao andrimaso sy fanentanana ihany koa ny fikojana izany » hoy i Tantely, mponina ao Tsarasaotra.

« Ny tena angatahina amin’ny tompon’andraikitra dia ny fametrahana lamina sy fepetra, indrindra ho an’ireo kaomiao sy ny fiara tsy mataho-dalana mampiasa ity lalana ity. Ny fanarahan’ireo ny fenitra ny vesatra amin’ny lanja tokony entiny sy ny hafainganam-pandeha no tena mahatonga io fahasimbana io » hoy i Avotra, mpianatra teknisianina amin’ny lalana.

Nahitam-bokany lehibe tokoa ny fiaraha-mientana sy ny fanaovana ezaka tamin’ny fanehoana firaisan-kina hanamboatra ity lalana ity. Kaominina telo moa no mifarimbona amin’ny fanamboarana izany dia ny kaominina Sabotsy Namehana, Ambohimanga Rova ary ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, ka ny kaominina Sabotsy Namehana no nanomboka izany, izay niainga teo Antsofonondry izao

Manitra R. 

Laisser un commentaire