ActualitésTsidika

Fanabeazana : Hianoka ny hetsika « lire en fête » mandritra ny herinandro ireo mpankafy mamaky boky

Efa amin’ny andiany fahafeatra amin’ity taona ity ny hetsika “lire en fête” izay karakarain’ny Alliance Française eto Antananarivo. Hianoka ny tontolon’ny boky indray ireo mpitia mamaky boky mandritra ity herinandro ity hatramin’ny sabotsy 29 aprily izao. Hotanterahina eo amin’ny Alliance Française Andavamamba izany. Ity hetsika ity nandritra izay efatra taona izay dia nentina indirndra hampiroboroboana ny famakiana boky sy ny boky isan-karazany. Maro ny voka-tsoa azo avy amin’ny famakiana boky ka izany indrindra no handraisan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina anjara mavitrika amin’izany hetsika izany.

« Fomba mahomby indrindra ahafahana mianatra sy mampitombo fahalalana ny famakiana boky. Izany anefa no hevitra mahomby indirndra hivoarana sy hampivoarana. Izany no tanjona lehibe indrindra ho an’ny tanopra Malagasy ka izany no ilaina ny hamporisihana ny famakiana boky », hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Haharitra herinandro ny hetsika izay hiseho amin’ny fomba maro samihafa izany. “Amin’ny maha hetsika vaky boky ny lire en fête dia hisy ny famakiana boky ho an’ireo liana amin’izany. Ankoatra ireo hetsika izay efa nahazatra nandritra ny telo taona teo aloha anefa dia hisy ihany koa ny fifaninanana « quiz sur la lecture livresque », eo ihany koa ny fifaninanana ady hevitra. Ny AF mobile ihany koa dia hidina an-tsehatra eny anivon’ny olona tsirairay ka ao amin’ny CEG Nanisana no hijanonan’izy ireo ho an’ireo izay tsy afaka ny handalo ety Andavamamba”, hoy ny avy ao amin’ny Alliance Française d’Antananarivo.

Amin’ity andiany fahaefatra ity ny AFT dia manome vahana ny “ouverture sur le monde enchainé”. Hisy araka izany ny fampirantiana ireo bokin’ny tanora be mpamaky indrindra tao amin’ny fitoeram-bokin’ny AFT, eo ihany koa ny fandefasana sarimihetsika samihafa…

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire