ActualitésTatitra

Singapour : Lehilahy iray no homelohina ho faty noho ny rongony iray kilao

Tamin’ny taona 2018 i Tangaraju Suppiah, 46 taona, no voasazy ho voaheloka ho faty noho ny fandraisana anjara tamin’ny fanondranana rongony iray kilao. Avo roa heny noho lanja ahafahana manameloka ho faty ny mpanondrana rongony ao amin’io firenena io izany 1 kilao izany. Marihina fa isan’ny firenena hentitra indrindra eran’izao tontolo izao manoloana ny resaka rongony i Singapour.

Raha ny tapaka tao amin’ny fitsarana ny taona 2018 dia rahampitso alarobia no hotontosaina ny fanaperana ny ain’i Tangaraju Suppiah. Niantso famelan-keloka tamin’ny manam-pahefana kosa ny fianakavian’io lehilahy io, ary nangataka fitsarana vaovao. Nilaza ny anabaviny, Leelavathy Suppiah, fa ho an’ny fianavakiany indrindra no nahatonga io lehilahy io nanaotao foana.

Maro ireo mpiaro ny zon’olombelona manohana an’i Tangaraju Suppiah izay nanameloka fa tsy nahazo mpisolovava io olo-meloka io nandritra ny fanadihadiana azy, ary tsy nahazo mpandika teny tamin’ny fitsarana azy.

Laisser un commentaire