ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Ahitana karazan’asa maro

Azo lazaina ho tsy dia midadasika loatra ny kaominina Ankadikely Ilafy, kanefa saika hita ao avokoa ny karazan’asan-tena ataon’ny olona. Ny asa tanana sy ny taozavatra, ny zaitra, ny fanaovana sakafo, ny varotra isan-karazany, ny fanaovana lava-drano, ny fanamboarana trano izay saika ho asan-tena avokoa ny ankamaroany.

Efa iaraha-mahita ny tsy fisian’ny asa ka mitady izay azony atao ny olona sitrany ahay vaza-mitsako ho an’ny olona » hoy i Sandy, mponina any an-toerana mivarotra lovia vita amin’ny « mélamine ». « Tsy hita izay asa tena mahavelona fa atao ihany aloha araka izay fahaiza-manao satria ny kely ihany no lasa be, ho ahy izao nianatra sakafo aho ka izao mpivarotra mofo sy ny composé izao no tena ataoko, mila mahay manaja ny asa fotsiny ary hafa mihitsy aza ny miasa amin’ny tenanao ihany » hoy i Lanja, mpivarotra hani-masaka. « Ny mamorona asa ho an’ny tena no tena ilaina mba ho mpandraharaha kely mandehandeha isika, raha misy ny fahombiazana dia isika ihany no hioty azy, ary raha misy tsy tombona dia isika ihany no afaka maka lesona hanatsarana sy manao ezaka ho amin’izany » hoy i Hery, mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra. Tsy misy asa ratsy tokoa fa rehefa hay ny manaja azy ary atao am-pitiavana ny asa dia mandeha ho azy ny fiainana. Tsy tokony ho olana ny tsy fisian’ny asa atolotry ny orinasa fa ny olana dia ny ankamaroan’ireo safidy eo ambany masontsika amin’izay asa azontsika atao avy amin’ny tenantsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire