Ambohimanambola : Nisandoka ho miaramila i Bitika
Voasambotra teny Tsarataona Ambohimanambola indray i Bitika. Nisandoka ho miaramila izy ary nisoloky tao amin’ny tsenakely iray. Marihana fa vao herinanrdo izay no nivoahany ny fonja teny Antanimora noho ny raharaha fisandohana ho polisy.
« Nilaza izy fa miaramila Sergent Michel. Manana entam-barotra eny amin’ny Capsat Fiadanana mba hamidiny. Naka ilay entana izahay. Naka vola 70 000Ar izy ividianana gony hono. Niditra tao amin’ny toby izy sy ny namany ka tsy niverina intsony » hoy ilay tompon’ny tsenakely. « Nitaraina tao amin’ny toby Capsat ity voasoloky ity. Voasambotra i Bitika. Fantatra ihany koa fa efa nisy voasolokin’izy ireo toa izany ihany koa teny Ambohimangakely ka nahazoany vola 80.000 ariary vao tsy ela » hoy ny avy ao amin’ny Zandarimaria Ambohimanambola.
« Tena tsy kely lalana ny ratsy. Miezaka manao ny fomba rehetra izy eo ampanatontosana ny asa ratsiny. Indraindray tsy hay intsony izay tsara sy ratsy. Samia mitandrina ny rehetra » hoy i Gerard, mponina ao Ambohimanambola. Mbola miriaria any ilay namany antsoina hoe Ranix, ary karohina fatratra. I Bitika dia avy etsy Androndra Tanjombato.
Tsara raha hamarinina hatrany ny mombamomba ny olona iresahana fihariana. Mila hampandrenesina foana ny Mpitandro filaminana raha misy toe-javatra mampiahiahy.
Nicole Rafalimananjara
