ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Namboarina ny lalana mankany Isahafa

Nasiam-panamboarana ny lalana makany Isahafa. Simba tanteraka noho ny andro ratsy ity lalana ity.

« Nisy ny fanamboaran_dalana mba hitohizan’ny fitanterana makany Isahafa. Ho fitsinjovana ireo mponina eto Lazaina mampitohy an’Isahafa no nanaovana izany » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Anosy Avaratra. « Vita ny lalana, izay niarahana tamin’ny mpiasan’ny Voirie sy fanampian’ireo Zandarimaria Sabotsy Namehana ary Ambohimanga Rova » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Isaorana ny tompon’andraikitra nanao ity lalana ity. Hita fa tena mahita ny fijalian’ny mponina ety ifotony izy ireo » hoy i Perline, mponina ao Lazaina.

Zava-dehibe tokoa ny lalana eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Izy no miantoka ny fivezivezena sy ny fifandraisana. Tokony ho laharam-pahamehana foana ny fanamboaran-dalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire