ConseilTsidika

Ankadikely Ilafy: Toerana fialan-tsasatra sy fialambon’ny mpanjaka fahiny ny rovan’Ilafy

Anisan’ny iray amin’ireo vohitra 12 mandrafitra an’Imerina ny rovan’Ilafy. Nanamarika ny tantara, indrindra nandritra ny vanim-potoana fahampajaka izy ary mbola hita misongadina ao anatin’ny rovan’Ilafy izany. Mahasarika vahiny maro ny fitsidihana ny toerana ary maro ireo liana, manao fikarohana manodidina ny toerana sy ireo vakoka voatahiry ao.

“Ny taona 1856 no niorenan’ny lapan’I Radama. Toerana fialan-tsasatra sy fialambolin’ireo mpanjaka ny rovan’Ilafy, fahiny. Nanomboka tamin’ny andron’ny mpanjaka Ravalona I izany ka hatramin’ny fitondran’ny mpanjaka Radama II. Ny fampifandraisana ny fomban-drazana sy ny fivoarana no tena nanamarika azy ary nandraisan’ny rovan’Ilafy anjara tokoa” hoy ireo tomponandraikitra mikarakara ny rova.

“Andrianjafy no nanjaka teto Ilafy voalohany ny taona 1770. Taorian’izay kosa no nanjakan’I Radama I ny taona 1861-1863, roa taona no nanjakany tao an-toerana ary nodimbiasin’ny Rasoaherina vadiny izany rehefa niamboho, novonoina izy” hoy hatrany ireo tomponandraikitra ao amin’ny rova.

Mbola hita ao amin’ny rova ireo fitaovana sy ny entana nampiasain’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany toy ny tombokase, ny ambon’ankanjony ary ny mozikan’ny mpanjaka Radama II izay notahirizina ho vakoka ampafantarina ny taranaka aty aoriana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire