Maurice : Hahazo tosika ny ivo-toeram-pikarakarana fako medikaly ao amin’ny nosy
Ankoatran’ny famatsiam-bola azon’i Maurice avy amin’ny FEM (Fonds pour l’environnement mondial) dia hisitraka tosika ara-teknika ihany koa izy ireo amin’ny fananganana ilay ivo-toeram-pikarakarana fako medikaly. Ny PNUD no hanolotra io fanohanana io ary marihana fa efa vita sonia niaraka tamin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny fitantanana ny fako ary ny fiovan’ny toetr’andro tao an-toerana izany.
Etsy ankilany dia hisy ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana ao an-toerana mba hanatsarana ny fitantanana ny fako. Tsy maintsy mamantatra ireo karazana fako izy ireo mba ahafahany mandamina sy mitahiry izany amin’ny fomba samihafa. Raha tsiahivina kosa dia ao anatin’ny tetikasa ISLANDS io hetsika io.
