ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Mitohy hatrany ny fanamboarana ny fanariam-pako

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny fanariam-pako na ny « bacs à ordures » amin’ireo fokontany maro ao sabotsy namehana, toy ny Ambohibary, Manarintsoa, Namehana, Andrefantsena, Antsahatsiresy, Tsarafara, Soaniadanana, tamin’ity faran’ny herin’andro ity.

Tsiahivina moa fa maro ihany koa ireo kaominina hafa akoatran’ny sabotsy namehana no efa mihezaka mikajy ny tontolo iainana ary manao fanadiovana ankehitriny, anisan’izany ny kaominina Alasora, Ankadikely Ilafy sy ny maro hafa. Atao moa izany hetsika rehetra izany mba hentina hampivoarana ny tanàna, ary indrindra hikajiana hatrany ny tontolo iainana hoy ny tompon’andrakitra.

Mila hajaina hatrany ny fahadiovana ho an’ny fahasalaman’ny tena sy ny manodidina, ary ihany koa ho an’ny taranaka. Rehefa tsy mandoto dia efa manadio.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire