Ambohimanambola : Efa eo andàlam-pikarakarana tanteraka ny taom-pianarana vaovao
Efa eo andalam-pikarakarana ny taom-pianarana vaovao 2022-2023 ireo sekoly maro eto Madagasikara, na dia eo aza ireo sekoly efa miatrika sahady ny taom-pianarana vaovao. Tsiahivina ihany koa moa fa efa nivaly avokoa ireo valim-panadinam-pankana amin’ny ambaratonga rehetra, izay nofaranan’ny valim-panadinana baccalaureat izany.
Ho an’ny lycée Ambohimanambola manokana dia misokatra ny fisoratana anarana ny alatsinainy 29 sy ny talata 30 aogositra ho avy izao hoy ny tompon’andraikitra Ratsimbazafy Tojosoa, ary efa eo ampanaovana ny lisitra ho an’ny taom-pianarana vaovao ireo mpandraharaha. Misokatra ho an’ny kilasy rehetra moa izany fisoratana anarana izany, eny fa na ho an’ireo ankizy tsy nahomby tamin’ny fanadinana Baccalauréat aza.
Tsy misy tsy mafy tsy laitry ny zoto fa ny fahavononana no zava-dehibe, ary ny fianarana no lova tsara indrindra.
Famenontsoa Rajerison
