Manandriana : Misy ny antso tolo-bidy ho an’ireo vonona hiara-hiasa amin’ny kaominina
Misy ny antso tolo-bidy (appel d’offre) atolotry ny kaominina Manandriana ho an’ireo fikambanana vonona hifanolo-tanana sy hiara-hiasa amin’ny kaominina ho fanatsarana sy fanitarana ireo paompin-drano ampiasaina ao an-toerana. Ireo fikambanana miorina ara-dalàna ary voafehin’ny lalàna no fepetra takiana amin’izany, raha ny voalaza.
« Ny kaominina Manandriana dia miantso ny fikambanana miorina sy voafehin’ny lalàna ary manaraka ny didy hitsivolana laharana faha 33-139, vonona hiara-hiasa amin’ny kaominina amin’ny fitantanana sy fampaharetana ary fanitarana ireo paompy ampiasain’ny mponina eto an-toerana, izay vatsian’ny jirama ary niaraha-nanorina tamin’ny Wsup » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Izay liana sy manana fikasana handray anjara amin’izany fifaninana hitantana izany moa dia hilazana haka ny andinindininy ety anivon’ny kaominina Manandriana sy haka ny boky mirakitra ny antso tolo-bidy (dossier d’appel offres) ao amin’ny service EAH an’ny kaominina ihany » hoy hatrany ny fanazavana.
Hatramin’ny talata 14 martsa no fe-potoana farany handraisana ny antotan-taratasy amin’izany. Amin’io fotoana io ihany koa no hijerena ny fahafenoan’ny taratasy izany natolotry ny fikambanana. Ny fikambanana iray nahafeno ny fepetra moa no hiroso amin’ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny kaominina.
Manitra R.
