ActualitésTsidika

Fambolena : Asa laharam-pahamehana ihany koa ny famongorana ny valala

Araka ny filan-kevitry ny Minisitra farany teo dia manomboka misy tsikelikely ny andiam-balala mpanimba voly amin’izao. Ao amin’ny lemak’Ihorombe no efa ahitana izany betsaka amin’izao fotoana izao raha toa ka efa ahitana vitsivitsy ao Menabe, Vakinankaratra ary Bongolava. Laharam-pahamehana araka izany ny famongorana ny valala mba tsy hiverenan’ny tsy fahampian-tsakafo noho ny voly simba indray.

« Asa maika dia maika ny famonoana ireto valala ireto amin’izao fotoana izao. Izany no hatao mba hiarovana ny tantsaha sy ny voly hahafahana miaro ny rehetra amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Araka izany dia misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa tsy miankina hifanampiana amin’izany. Mila fitaovana manokana sy enti-manana mahomby tokoa mantsy ity asa ity. Noraisina araka izany ny fepetra fanatsorana ny fomba fiasa mba hanafainganana ny famaranana ny fifanaraham-piaraha-miasa », hoy ny avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

« Tsara ilay fanapahan-kevitra sy fandraisan-tanana satria dieny mbola madinika sy vitsy ireo valala ireo dia tokony ho foanana satria vetivety dia manatody mantsy izy ireo ka vetivety dia mitombo betsaka », hoy i Regis, mpamboly avy ao Antsirabe II.

Araka ny tatitra avy amin’ny birao mpanatanteraka dia ny Banky iraisam-pirenena no tena mpamatsy vola amin’ny ady amin’ny valala. Ho an’ity hetsika vonjy maika ity dia tany mirefy 400 000 ha no fendrahana amin’ny fanafody famonoana bibikely mifanaraka amin’izany. Araka ny tatitry ny drafi-pirenena momba ny ady amin’ny valala dia 12 miliara Ariary ny tetibola ilaina amin’izany ady izany amin’ity taona 2023 ity. Amin’ny maha asa maika azy ity dia mbola ilaina ahatrany ny fanomezan-tanana na ara-pitaovana na ara-bola izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire