ActualitésTsidika

Fampianarana : Hisy toeram-piofanana miisa 15 hatsangana manerana ny Nosy

Ho fanatanterahana ny Politikam-pirenena mahakasika ny asa sy ny fampiofanana maha-matihanina dia miisa 15 ireo toeram-piofanana hatsangana manerana ny Nosy. Toeram-pampiofanana “technique sy ny formation professionnelle” araka izany ireo hatsangana ireo. Toerana maro no hisitraka izany.

« Ny tena tanjona lehibe amin’ity tetik’asa ity dia ny fikendrena ny hampiasa ny renivola rehetra izay mety hampitombo ny harena voajanahary rehetra, fa koa ara-toekarena sy sosialy ao amin’ny firenena. Izany indrindra no hananganana ireto toeranam-piofanana ireto mba hahafahan’ireo tanora sy ankizy mahita sahady ny asa tiany hatao, na miofana sahady amin’ny asa izay efa niriany », hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

« Tena maro mihitsy ny ankizy sy tanora tsy mahavita ny fianarana hatramin’ny farany, izany hoe tsy tonga eny amin’ny anjery manontolo ka ilaina mihitsy ny toeram-panofanana arak’asa toy izao hianaran’ireo mpianatra ireo sahady ny asa tiany hatao. Tanjona amin’izany hahafahan’izy ireo manangana ny orinasany », hoy i Jean Claude, mpampianatra.

Ireto avy araka izany no toerana hisitraka izany amin’izao fanombohana izao, ny Faritra Analamanga, Bongolava, Boeny ary Diana dia hasiana lycée teknika ary ivon-toeram-piofanana arak’asa kosa ny faritra Sofia, Ihorombe, Fitovinany, Amoron’i Mania, Analanjirofo, Androy, Anôsy, Analamanga ary Bongolava. Hampiantrano toeram-piofanana arak’asa ny Faritra Vakinankaratra, hoy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire