ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hatramin’ny faran’ny volana no hanefana ny hetra ao an-toerana

Nanao filazana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina manerana ireo fokontany mandrafitra ny kaominina Ambohimangakely ireo tomponanandraikitra miadidy ny tanàna ny amin’ny tokony hanefana ny hetra trano sy ny hetra tany ao an-toerana. Nanome fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana febroary izy ireo ny fanefana izany, araka ny voalaza.

« Ireo mponina tsy mbola nahefa ny hetra trano sy hetra tany nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary 2022 no entanina hanefa izany mialohan’ny faran’ny volana febroary ity. Ny tsy fahavitan’izany dia mety hiteraka sazy ary tsy afaka hanao taratasy ao amin’ny fokontany sy kaominina » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

« Mila mijery ny fiainam-bahoaka sy ny fahasahiranan’ny mponina ihany ny tomponandraikita manoloana ny fandraisana fepetra tahaka izao. Eo ihany koa ireo tamberin’andraikitra tokony atao hita mivantana isaky ny fokontany ny fanatsarana sy fampandrosoana isan-karazany ary tokony ho hita ny mangaraharaha amin’ny fandoavana hetra » hoy i Alain, mponina ao Ambohimangakely.

Anisan’ny olana ary tsy maharisika ny mponina amin’ny fanefana ny hetra ny tsy fahafantarana ny tena ilàna izany sy ny fampiasana izany ao anatin’ny kaominina. Mila atao ezaka araka izany ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny mponina ny mahazava-dehibe ny fandoavana ny hetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire