ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mitohy ny fandraisana mpianatra amin’ireo fiofanana atolotry ny kaominina

Mbola mitohy ny fandraisana mpianatra ho an’ireo izay liana amin’ny fiofanana maimaim-poana atolotry ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Ny taranja informatika no vao vita ary nanaovan’ireo mpianatra fanadinana, farany teo, ny taranja frantsay sy ny call-center kosa no hianarana amin’izao fotoana izao.

« Isaorana feno ny tomponandraikitry sy ireo mpiara-miasa ary ireo nikarakara nanatontosa izao fiofanana maimaim-poana ho an’ny mponina izao. Tena nahafinaritra ny nahita ny fahazotoan’ireo mpianatra, indrindra ny fiezahana nandritra ny fanadinana ny taranja informatika iny » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.

« Nahitako tombony lehibe manokana ny fanarahana ny fiofanana tato amin’ny kaominina satria zavata tsy mbola haiko no vao noheritreretina hianarana kanefa nomena maimaim-poana izany. Amin’izao efa mahay fampiharana ka tsy matahotra intsony rehefa mikitika solosaina » hoy i Kanto, mponina ao Ambohimangakely.

Raha ny voalaza hatrany moa, hisy ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireto andiany ireto. Ary marihina fa ahazoana mari-pankasitrahana ireo fiofanana ao an-toerana. Ho an’ireo liana moa dia afaka manantona eny amin’ny EPP Ambohimangakely.

Manitra R.

Laisser un commentaire