ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Vonona hiaro ny vahoaka sy ny fananany hatrany ny mpitandro filaminana

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy mitazam-potsiny anefa ireo avy amin’ny zandarimaria fa manao izay fara herin’izy ireo hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, indrindra amin’izao fotoana mahabe ny asa ratsy izao.

« Manao ezaka hatrany ny zandary eto Ambohimangakely amin’ny fanatanterahana ny fisafoana isan’andro, isan-kalina manodidina an’ireo toerana ahiahiana ho fieren’ny olon-dratsy ety an-tanàna » hoy ny avy amin’ny zandarimaria ao Ambohimangakely.

« Ao anatin’izany indrindra no hanentanana ny mponina, mitondrà kara-panondrom-pirenena raha voatery tsy maintsy hivoaka ny trano ; rehefa tsy misy atao kosa dia tafio ny bodofotsy mafana dia aza mivoaka ny trano » hoy hatrany ny avy amin’ny zandarimaria.

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro filaminana ho fiarovanana ny vahoaka sy ny fananany, izany ihany koa moa no tarigetran’izy ireo mba ho mandry fahalemana ny mponina. Mila fiaraha-miasa amin’ny vahoaka anefa izy ireo amin’ny fanatanterahana izany, dia eo ihany koa ny fiaraha-mientana sy ny fahamailona.

Manitra R.

Laisser un commentaire